- Accueil
- Tonga soa !
Tonga soa !
Partage
Tongasoa eto amin’ny tranokalan’ny Fiangonana Protestanta Roubaix !
Fifaliana ho anay ny mandray anao eto anivon’ny fiangonana, na monina eto Roubaix sy ny manodidina ianao, na koa mandalo.
Ny fotoam-pivavahana dia atao isaky ny alahady amin’ny 10 ora sy sasany maraina, ary tanterahina amin’ny teny frantsay izany.
Raha toa ka Protestanta ianao dia hahatsikaritra fa maro amin’ireo tononkira efa mahazatra anao no hiraina mandritry ny fanompoam- pivavahana. Raha toa moa ka avy amin’ny antokom-pinoana hafa ianao, dia fifaliana ho anay ny mampandre anao izany.
Aza misalasala mampandre anay mialoha raha mikasa ny ho avy ianao ; izany dia mba hahafahanay mandray anao tsara sy araky ny tokony ho izy.
Misokatra malalaka ho an’ izay rehetra maniry hahita toerana hivavahana sy hianarana ny Baiboly ny fiagonana,na koa ireo izay te hahalala bebe kokoa mikasika ny fivavahana protestanta sy ny trano fiangonana.
Aorian’ny fanompoam-pivavahana dia misy hatrany ny fiarahana miala hetaheta izay ahafahantsika mifankafantatra bebe kokoa na koa raha misy fanontaniana tianao apetraka.
Aza misalasala ihany koa ny mifandray mivantana amin’ny Pasitera raha toa ka mila fanazavana fanampiny na maniry ny hitafa manokana ianao.
Ny paroasy eto Roubaix dia ao anatin’ny Fikambanan’ny Fiangonana Protestanta Mitambatra eto Frantsa – manaraka ny vondrona Protestanta Loterana Nohavaozina araky ny sata mifehy ny Reformasiona ; mpikambana ihany koa ao amin’ny Federasiona Protestanta eto Frantsa.
Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, dia mpikambana ao amin’ny WCRC (Fiombonan’ny Fiangonana Nohavaozina Maneran-tany) sy ny LWF (Federasiona Loterana Maneran-tany) izy.